Actualités

Maloto ny tanŕna Atahorana ny fihanaky ny areti-mifindra any Tolagnaro


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Tsy isalasalana ny mety hisian'ny areti-mifindra sy ny haromotana raha ny zava-misy iainana ao an-drenivohitra Anosy no zohina.

 

 Isaky ny elakela-trano sy eny amoron-dalana, saika ahitana fako avokoa. Misy amin'ireo fako ireo ao anatin'ny 2 na 3 herinandro tsy mbola voaaisotra. Maimbo ny tanàna, maloto ny rivotra. Ireo mpiompy kisoa ao an-tampon-tanàna mihamaro. Mihanaka ny parasy lafrika sy ireo fofona maro samihafa. Ireo loto vokatry ny tsy fananana lava-piringa na wc, manaraka eny ihany. Tsy mijanona amin'ireo voalaza ireo fa mbola loza mitatao ao amin'ity renivohitra  iray ity ny fivezivezen'ireo alika ao an-tampon-tanàna. Ny fandrindrana asa ao amin'ny fiadidiana ny tanàna eo ambany fiahian'ny filohan'ny delegasiona manokana efa tsy rototra intsony amin'ny fanohizana ny asa. Mety hananosarotra  raha tratran’ny kaikitr'alika tsy ampoizina ny mponina. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny mponina izany rehetra izany. Asa very maina no misy raha tsy mbola misy ny arofanina. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany no ilazana fa maro amin'ireo Ong sy fikambanana no mitonona  hanarina ny fiainan'ny mponina. Ilana fanaraha-maso.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT