Actualités

Malazarivo Félix Maty tanaty lozam-pifamoivoizana


  • Alarobia 05 Septambra 2012

Nindaosin’ny fahafatesana tampoka, omaly talata 04 septambra tokony ho tamin’ny telo tolakandro, tao anaty lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ny lalam-pirenena faha-4, ao amin’ny Kaominina Belobaka, 40km tsy ho tonga ao Mahajanga i Malazarivo Félix.

 Araka ny loharanom-baovao dia nivadibadika in-dimy ny fiara, izay izy no nitondra azy, ary tao anatiny ny fianakaviany. Namoy ny ainy noho ny hamafin’ny dona izy raha ratra kosa ny tamin’ireo mpandeha tao anatin’ilay fiara. Minisitry ny serasera tao anatin’ny governemanta Camille Vital i Malazarivo Félix. Talohan’io dia Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera izy tamin’ny andron’ny minisitra Nathalie Rabe. Efa Tale jeneralin’ny fifandraisana ihany koa ary efa Talen’ny Radio nasionaly Malagasy teo anelanelan’ny taona 1997-2002.

Efa Delegen’ny fifandraisana tany Maintirano, lehiben’ny sampandraharan’ny fifandraisana tao Mahajanga. Teo amin’ny sehatra politika indray dia efa Solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy in-droa nisesy, tao Besalampy ny tenany tamin’ny fitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Farany teo dia filohan’ny Fikambanana “Sakalava de Menabe” izy. 61 taona i Malazarivo Félix izao nodimandry izao. Mirary fiononana ho an’ny fianakaviany ny ekipan’ny Tia Tanindrazana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT