Actualités

Malaza tsy hihinanana


  • Alarobia 02 Desambra 2015

Lasanareo ny amboara ry Jean a ! « Record » ianareo raha hivoaka any ivelany e. Betsaka ihany izay hoy ilay tsy mahay manisa.


 Nefa toa be tsy andraofana ary malaza tsy hihinanana toa vilian-tsahona e. Aiza izao izay voandalana mahafinaritra eo. Sa izay no mahatonga anareo lasa mitsaitsaika, tonga mangingina io e. Inona moa izany fa tsy ianareo ve izany ry Jean no tonga amin’ny fitenenana hoe malaza ho avy any Namehana nefa tsy mitondra voasary ho an-jaza. Azafady fa sendra tonga tato an-tsaiko iny ohatra iny, dia lasa tsinahy fa tsy araka ilay eritreretinao io akory ry Jean a. Dia ahoana indray ry Jean ny amin’ity lehiben’ny Sinoa mitsidika ny akamany aty Afrika aty. Mba niandry aho ry Jean hoe ho ao anatin’ny fandaharam-potoanany ny hamangy an’i Jean aty Dago, na ireny boaderôzy sesehena lasa any amin-dry zareo ireny fotsiny aza, nefa tao tsy nodinganiny i Jean, sa malaza tsy hihinanana ny anareo e ?

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT