René Angélil Fanirian’i René Angélil ny ho faty eo an-tratran’i Céline Dion vadiny. Nanaiky ity farany fa hotanterahina ny faniriany raha tonga izay andro hahafatesany, araka ny tatitra an-gazety ny resadresak’i Céline Dion nivoaka tamin’ny USA Today.
Laurent Fabius
Saika nitambotsotra ho azy teo ampitsanganana raha iny niomana handray fitenenana ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay Laurent Fabius omaly izay mitsidika any amin’ny Repoblika Tchèque. Nandeha nivantana tamin’ny fahitalavitra ny fisehon-javatra. Nentin’ny mpiara-miasa aminy nivoaka ny efitra izy. Nambaran’izy ireo fa tsy misy ahiana ny aminy.
Polisy
Naleon’ilay polisy nitifi-tena tamin’ny basy toy izay hosaziana taorian’ny nahatrarana sary mamoafady amin’ny ankizy tamin’ny ordinaterany. Nahazo fahafahana vonjimaika izy saingy mitohy ny fanadihadiana mikasika azy. Tonga nitsidika ireo mpiara-miasa aminy izy omaly, ka tamin’izay no nandraisany basy sy namonoany tena. Maty tsy tra-drano ilay polisy, 35 taona.
Côte d’Ivoire
Niampy roa indray omaly ireo kandida filoham-pirenena any Côte d’Ivoire ary dia tafakatra 18 izany izao izy ireo no hifaninana amin’ny 25 oktobra 2015.
Milan
Nobahanan’ireo mpifindra monina ny lalana miditra an’i Milan any Italia omaly nentin-katezerana amin’ny igiazana azy ireo tsy hiala amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Avy any Afghanistan, Bangladesh, Sénégal ary Mali ny ankamaroan’izy ireo.
Jean-Marie Le Pen
Manohitra ny fanilihana an’i Jean-Marie Le Pen tao amin’ny Front National ny mpikambana sasany ao amin’ny komity mpanatanteraky ny antoko.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.