Nitrangana halatra omby tany amin’ny fokontany Befanihy, Kaominina Malaikialina, Distrikan’i Mampikony ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy.
Omby sarety roalahy no lasan’ireo mpangalatra. Rehefa nataon’ny fokonolona ny fanarahan-dia dia fantatra fa olona no tompon’antoka tamin’ny halatra, ka sefom-pokontany ny iray. Notifirin’ity farany ny tompon’omby ary maty tsy tra-drano. Nitsoaka tsy hita popoka ilay sefom-pokontany, voasambotra omaly kosa ilay namany iray. Nirohotra tany amin’ny tobin-janaparitry ny zandarimaria tao Malaikialina ny havan’ny maty omaly nitaky ny hanomezana azy ireo ilay dahalo voasambotra io. Tsy hay notohaina ny fokonolona fa voan’ny be no ho vitsy koa ny zandary ary dia lasan’iretsy voalohany ilay mpangalatr’omby, hatramin’ny fotoana nanoratana tamin’ny sivy ora alina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.