Ahoana no hampivondronana ny olom-pirenena eto Madagasikara amin’ny alalan’ny hevitra ? Io no lohahevitry ny loabary an-dasy nokarakarain’ireo tanora Malagasy manovo fahalalana avy ao amin’ny « Fondation Friedrich Ebert» nanasan’izy ireo mpanao politika na liana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara omaly teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina.
Nitovy amin’ny ankapobeny ny valin-tenin’ireo vahiny niatrika ny adihevitra dia ny hoe : olom-pirenena tsy mivondrona ara-kevitra ny Malagasy. Marobe ny antony mahatonga io tsy fisian’ny firaisankinan’ny samy Malagasy eo amin’izay sehatra fifanohanana ara-kevitra io. Fototra voalohany amin’izany ny fahantrana lalim-paka mianjady amin’ny ampahany betsaka eny anivon’ny fiarahamonina. Kolontsaina iray nitarika ny tsy fandraisana anjaran’ny Malagasy sy liana amin’ny fifanabeazana ideolojika ihany koa ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara. Nirona hatrany tamin’ny tsangan’olona mantsy ny tontolo politika teto amin’ny firenena ka lasa ambanin-javatra ny tsangan-kevitra tokony hovoizina ho fampandrosoana ny tanindrazana, araka ny fahitan’ireo mpandray anjara tamin’ilay fifanakalozan-kevitra. Vahaolana niraisan’ny besinimaro moa ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fifanabeazana eny ifotony miaraka amin’ny fanavaozana ny fanaovana politika sy ny fananan’ny antoko politika foto-kevitra mazava hifampizarana amin’ny olom-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.