Tsikaritra omaly zoma fa maro ny ankizy tsy nandeha nianatra. Nisy ray aman-dreny nisafidy ny tsy handefa mihitsy ny zanany any an-tsekoly aloha taorian’ilay savorovoro vokatry ny tsaho teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny alakamisy lasa teo.
Mbola resabe omaly zoma ny hoe andian’olona manindrona mpianatra, tranga izay nambaran’ny tompon’andraikitry ny filaminana fa tsaho ary tsy mitombina velively. Misy anefa ireo ray aman-dreny tsy resy lahatra. Efa ho iray volana tsy nianatra ny ankizy dia mbola mety hiampy indray izany noho ny tsaho niteraka savorovoro. Azo antoka fa hisy akony ratsy amin’ny voka-panadinana izao tranga izao satria tsy mitombin-tsaina tsara ny mpianatra ary miaina ao anatin’ny tebiteby ny mpampianatra sy tompona sekoly ary ireo ray aman-dreny. Tsy ho vita mora foana iny fampielezana tsaho iny, hoy ny mpitandro ny filaminana ary tsy maintsy ho tratra ireo rehetra nandray anjara. Amin’ny ankapobeny dia samy tompon’andraikitra ny rehetra. Manome vahana ny mpanararaotra mantsy ny tranga tahaka iny ka mety ho avy ny mpangaro-paosy, ny mpanao sinto-mahery ary mety hangala-jaza mihitsy aza. Tsy resahana intsony ny mety ho fahapotehana fotodrafitrasa ao amin’ny sekoly. Asa na noho ny fahasahoran’ny fiainana fa mora handairan’ny tsaho ny Malagasy ary tsy afaka manadihady sy mandinika intsony mialoha ny hanapahan-kevitra. Raha mitohy izao dia azo antoka fa ho avy indray ny tsaho sy ny honohono. Mampatahotra ny ho avy raha tsy mahay mifandamina sy mandrindra fiainana ny Malagasy, ary dia hataon’ny olona kilalao amin’izay hitiavany azy, ka rehefa variana mifampiahiahy dia miditra tsimoramora maka ny harena ny vahiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.