Actualités

Malagasy mijaly any Koweit Lalaovin’ny fitondrana Rajaonarimampianina


  • Alarobia 09 Septambra 2015

Manaporofo ny fahalemen’ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ny tsy fifehezana ny fifandraisana iraisam-pirenena. Tsy lavina ny fivoahana im-betsaka ataon’ireo mpitondra isan-tsokajiny mankany ivelany amin’ny alalan’ireo fihaonana iraisam-pirenena na fitsidihana ofisialy saingy tsy mbola hita aloha hatreto ireo vokatra misongadina

 

. Lesoka goavana rahateo ny tsy mbola nisian’ireo fanendrena masoivoho tokony hiaro ny tombontsoan’ny firenena sy ireo teratany Malagasy mpila ravinahitra any andafin’ny riaka. Tranga tena mampalahelo, ohatra, ny fanagadrana sy famonoana ireo mpiasa Malagasy any Koweit saingy tsy misy hatramin’izao ny fanapahan-kevitra hentitra raisin’ny mpitondra mahefa eto Madagasikara. Tsy misy ny vahaolana matotra fa mbola eo amin’ny dingana fanamarinana ny vaovao sy ny fandinihana ny dosie ny eo anivon’ny minisitera amin’izao fotoana izao, hoy ny lehiben’ny diplaomasia Malagasy Atallah Béatrice. Tsy afaka manapa-kevitra avy hatrany rahateo ity minisitera ity fa hojerena miaraka eo anivon’ny governemanta ny momba io raharaha io. Nisongadina moa izany nandritra ny fandraisan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy ireo ambasadaoro vahiny miisa telo avy any Vatican, Maorisy ary Frantsa nanolotra ny taratasy manendry azy ireo ho masoivoho vaovaon’ny firenena fiavian’izy ireo avy teny Anosy omaly.

 Nangonin-dRamano F.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT