Actualités

Malagasy miaina anaty lainga Nandova an’Ikotofetsy sy Imahaka, hoy ny manampahaizana


  • Zoma 23 Martsa 2018

Efa zary lasa fahazarana ho an’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ny mifanambaka sy mifampihatsaravelatsihy, raha ny nambaran’ireo mpandinika.

Toy ny mandeha ho azy amin’ny ankamaroan’ny olona, ohatra, ny mandainga fotoana sy toerana misy azy. Mbola eny Ambohijatovo ny sasany dia milaza azy ho efa eny Mahamasina. Antony ara-psikolojika sy ara-piarahamonina ary ara-poto-pisainana no antony, hoy ny manampahaizana manokana momba ny haitoetra ara-panabeazana, Taibaly Djivadjee. Ny firenena rehetra dia samy manana ny lovantsofina nanabe voho ny fiarahamoniny na ilay antsoina hoe “Mythe fondateur”. Ny sinoa, ohatra, manana an’i Conficius. Ny grika manana an’i Hercule. Nalaza izany “12 travaux d’Hercule” na hoe ny asa 12 nataon’i Hercule izany. Mbola manana an’i Zeus sy Achile koa izy. Ny antsika kosa mampalahelo satria Ikotofetsy sy Imahaka no olon-dovantsofina nanabe voho antsika. Tsy atao mahakivy anefa io ary tsy misy afaka manarina izany afa-tsy ny fanabeazana ihany, hoy izy.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT