Actualités

“Maîtresse” mamo Naolan’ny mpianatra tsy ampy taona


  • Talata 19 Mey 2015

Nisahotaka ny iray sekoly nahita polisy tonga hisambotra mpianatra tany ambanivohitry ny Kaominina Morafeno, Distrikan’i Sambava ny herinandro lasa teo.


Mpianatra efa-dahy, eo anelanelan’ny 14 sy 16 taona, no nosamborina fa hoe nanolana vehivavy mpampianatra. Tranga niseho tamin’ny tapatapaky ny volana martsa 2015 izy ity, saingy efa roa volana taty aoriana vao nametraka fitoriana i “Maîtresse” rehefa niely tao an-tanàna ny feo ka nahatsiaro ho afa-baraka izy. Mifamahofaho be ihany anefa ny resaka. Milaza izy fa nisy nanisy paraky ny labiera nosotroiny tao anaty “epi-bar” ka nahadomelina tsy nahatsiarovany tena, ary dia nohararaotin’ireto boakely ireto naolana izy. Ny loharanom-baovao hafa indray milaza fa i “Maîtresse” no niantso ireo boaikely ireo hilalao fitiavana taminy. Mbola mpitovo rahateo moa i “Maîtresse”, ary itony mpampianatra FRAM itony. Voalaza moa fa niaiky ho nanao firaisana tamin’i “Maîtresse” izy efa-dahy rehefa nohadihadiana. Nitaky lelavola 2 tapitrisa Ariary tamin'ny ray aman-drenin’izy efa-dahy i “Maîtresse”. Nanao fifampiraharahana ireo ray aman-dreny ka 9 hetsy Ariary io no voaangon’izy ireo ary natolotra an’i “Maîtresse” tamin'ny zoma 15 mey 2015 ary ny sabotsy 16 mey tolakandro no navoaka tao amin'ny polisy izy efa-dahy ary tafaverina eny anivon'ny ray aman-drenin'izy ireo avy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT