Nanao izao ny HVM tany Toliara maninona no navela nanao, hoy ny mpisolovava Willy Razafinjatovo manoloana ny tsy famelana ny Antoko Tiako I Madagasikara hanao hetsika eny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ho fanamarihana ny faha-15 taona nijoroany ?
Nandeha teny amin’ny arabe ary nanapa-dalana mihitsy ny HVM. Ny an’ny TIM anefa ao amina toerana mihidy tsy misy fanelingelenana ny fifamoivoizana ny filaminam-bahoaka. Nametra-panontaniana mihitsy ity mpisolovava ity hoe maninona no atao an’izany?
Ezahina voizina ankehitriny ny hoe nanao sakantsakana I Marc Ravalomanana tamin’ny fitondrany, izay fialana bala amin’ny resaka hakanosana noho ny tahotra ny TIM. Tsy hifamaly faty no atao eto fa raha hendry ianareo dia natao hitady sy hikatsaka ny soa ho an’ny vahoaka fa tsy hanao izao toetra ratsy izao, hoy ity mpisolovava ity. Tsy mahita horaisina ny fanjakana manoloana ny fahantram-bahoaka kanefa mbola te hidrikina hibodo fahefana, ka any amin’ny famoretana sy fanaovana tsindry amin’ny olona atahorany handresy azy amin’ny fifidianana sisa paikady tsy maintsy hizorana. Mihevitra ny HVM fa afaka manao izay danin’ny kibony fa ny hafa kosa natao hoporetina sy hotsindriana lava. Mihevi-tena ho mafy, ka mbola hiantehitra hatrany amin’ny herin’ny mpitandro ny filaminana hoenti-mamoritra ny olona sy ny antoko tsy mitovy fomba fijery aminy sy atahorany mafy. Efa ao anaty fanjakana jadona isika izao, ary rehefa manomboka mampiasa hery dia efa an-dalam-pirodanana izay, saingy samy miandry ny rehetra hoe amin’ny alalan’ny fitsipahana azy amin’ny fifidianana ara-demokratika sa ny mety tsy hahandry izany intsony rehetra fa ny fipoahana ara-tsosialy noho ny fahantram-bahoaka na ny fanoherana ny jadona no tonga aloha ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.