Actualités

Maître Ny Avoko «Grand Maître no manetsika anay»


  • Alatsinainy 23 Aogositra 2010

Mankalaza ny faha-30 taona nidirany teto Madagasikara ny Kung-fu Wisa, tarihin’ny maître Ny Avoko Rakotoarijaona. Teny amin’ny Kianja maitso Alasora no nanamarihany izany ny sabotsy 21 Aogositra lasa teo.

Nosantarina tamin’ny filaharambe namakivaky ny tanàna notontosain’ireo mpikatroka Kung-fu eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny hetsika. Fotoam-pivavahana nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanohizana ny fotoana narahin’ny fijoroana vavolombelona notontosain’ireo mpikambana telo mikasika ny mbola fahaveloman’ny grand maître Rakotoarijaona Pierre Mizael na Grand Maître Pierre Be nampiditra voalohany ity haiady ity teto amintsika tamin’ny taona 1980. Fehin’ny fijoroan’izy ireo ny fampahafantarana ny rehetra fa “mbola velona ny Grand Maître ary miriaria any” na dia nodradrain’ny fitondrana tamin’izany fotoana aza fa efa lavon’ny balan’ny miaramila ka namoy ny ainy teny Ambatomainty. Nofaranana tamin’ny fanambarana lehibe nataon’ny Maître Ny Avoko ny lanonana izay nilazany fa hanao hetsika goavana izy ireo ho fanafahana ny firenena.

Efa mby an-koditra, hoy izy ny fahasahiranan’ny Malagasy ka handray ny andraikitra tandrify anay izahay. Ny 10 septambra ho avy io no daty voatondro hanatontosany izany ka hiantsoany ny rehetra tsy an-kanavaka hivoaka eny amin’ny arabe manoloana azy amin’ny 12 ora antoandro tsy diso. Hisy ny fitsofana sy fampanenoana kiririoka sy anjomara ary lakolosim-piangonana amin’io ora io, haharitra dimy minitra. Fiantsoana an’Andriamanitra hanafaka an’i Madagasikara no hotontosaina amin’izany toy ny hoe : “Mibebaka aminao ny Malagasy Andriamanitra ô ! Afaho i Madagasikara, vonjeo ny firenenay”. Ho fanehoana amin’izao tontolo izao sy ireo mpanao politika fa mbola miray hina ny Malagasy ary mahatoky sy miandry ny famonjen’Andriamanitra. Nanambara moa ny Maître Ny Avoko fa ny Grand Maître rainy no manetsika azy ireo hanao izao hetsika izao amin’ny 10 septambra izao ho fanavotana ny firenena. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT