Actualités

Maître Avoko «Tsy misy azo antenaina ny zava-mitranga amin’izao fotoana»


  • Alakamisy 27 Mey 2010

Mety ho amin’ny faran’ity herinandro ity na amin’ny herinandro ambony no hampahafantatra amin’ny besinimaro ny vahaolana arosony ho famahana tanteraka ny krizy ny Maître Avoko, araka ny resaka nifanaovana taminy.

Notsoriny fa tsy manan-kambara firy amin’ny sangodim-panina politika misy tato ho ato ny tenany. Nambarany kosa anefa fa tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny zavatra eto amintsika amin’izao fotoana ary tsy misy azo antenaina hitondra vahaolana amin’ny fahasahiranan’ny vahoaka sy ny firenena ireo tranga maro samihafa tato ho ato izay. Ho an’ny Maître Avoko, sy ireo miara-dia aminy dia tokana ny vahaolana ho an’ny Malagasy, dia ny fitodihana amin’Andriamanitra sy ny fanatanterahana ny sitrapony hitantanana ity firenena ity. Izy moa dia efa nilaza, herinandro lasa izay, fa ny Baiboly no tokony hatao soridalana (feuille de route) amin’ny famolavolana drafitra hivoahana amin’ny krizy. Nandroso hevitra ny amin’ny tokony hanatanterahana faran’izay haingana ny fampihavanam-pirenena tena izy ihany koa ny Maître Avoko. Tsy tokony hidiran’ny mpanao politika mihitsy ny fikarakarana sy fanomanana izany, araka ny heviny fa ankinina tanteraka amin’ny mpitondra fivavahana sy ireo olobe isaky ny faritra tsirairay avy. Fifanazavana sy fifamelana moa ary fandrafetana ny mety ho endriky ny lalàmpanorenana vaovao, araka ny sitrapon’Andriamanitra no hotanterahana mandritra izany fampihavanam-pirenena izany.  

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT