Actualités

Maitre Avoko sy ny Kung-Fu Wisa Vonona hiatrika ny raharaham-pirenena


  • Talata 27 Febroary 2018

Maitres Kung-fu zandriny miisa 1 223, solontena iray avy isaky ny Kaominina Manerana an’i Madagasikara no tonga nanatrika ny fiofanana izay nifarana ny sabotsy alahady lasa teo, teny amin’ny Temple de Pierre Mizael teny Ambatomirahavavy.

Tazana teny ireo kaominina lavitra tahaka an’Anosibe An’ala, Ampahimanga, Alakamisin’Itenina … Ankoatra ny fiofanana ara-teknika amin’ny maha fanatanjahantena ny Kung-Fu sy ny fandaminana ny rafitra anatiny teo amin’ny federasionin’ny Kug-Fu Wisa, dia anisan’ny napetraka ny rafitra maty paika hoenti-miatrika ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ity taona ity. Vonona tanteraka ny mpanao Kung-Fu manerana ny Nosy hiatrika ny raharaham-pirenena mba ho fitsinjovana ny mahasoa ny tanindrazana. Manantena sy mamerina hatrany izy ireo ny mba hirotsahan’i Hery Rajaonarimampianina fanindroany indray, ka anisan’ny novolavolaina nandritra io fiofanana io ny hampandaniana azy ho filoha indray. Ankoatra izay, nampahafantarina fa ankalazaina amin’ity taona 2018 ity ny faha-38 taona nidiran’ny Kung-Fu Wisa teto Madagasikara. Lanonambe isam-paritra no entina hankalazana azy io. Hatomboka any Bongolava amin’ny volana martsa ho avy izao. Any Vakinankaratra sy eto Antananarivo ny volana aprily ary hitohy any amin’ny faritra hafa manerana ny nosy. Ny federasionin’ny taranja Kung-fu dia manamafy hatrany ho an’ireo izay mbola variana tsy manaraka ny lalàna sy ny fitsipika mifehy mba hiroso hikarakara izay maha ara-dalàna azy izay. Anisan’ny antony ny fisorohana ny fampiasana sy ny fisolokiana ny anaran’ny Kung-Fu, indrindra amin’ny sehatra politika.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT