Nomarihina omaly alahady 3 desambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ireo olona manana fahasembanana, nifantoka betsaka amin’ny fiombonana sy ny ady amin’ny fanilikilihana eo amin’ny fiarahamonina ny fankalazana izany tamin’ity taona ity,
« fiarahamonina mifampitsinjo, tontolo mampiaty ny rehetra » no lohahevitra maneran-tany. Efa nihetsika ny zoma lasa teo ny minisiteran’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy ka nisy ny fanolorana seza mandeha ho an’ireo manan-kilema (chaise roulante) miisa 15 ho an’ny ivontoerana fiahiana ireo olona manana fahasembanana eny Tongarivo na ny « maison de la charité » eny Tongarivo izay tantanin-dry Masera. Nidera ny herim-po sy ny fikirizana amin’ny asa ataon’ireo mpikarakara rehetra eny amin’ity ivontoerana ity ny minisitry ny mponina Onitiana Realy, indrindra moa fa ry Masera izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fanampiana ireo olona karakaraina eny izay maro no manan-kilema. Tsy mora ny asa ary tena mananosarotra matetika ny hoenti-manana na ara-bola io na ara-pitaovana, araka ny fitantaran-dry Masera na dia efa manampy aza ny mpiara-mivavaka. Filana isan’andro, ohatra, ny vary, voamaina, savony sy ny lamba fitafy sy lamba firakotra. Efa zava-dehibe ny fahazoana ireo « fauteuil roulant » miisa 15 ireo satria manamaivana ny fahasahiranana, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny « maison de la charité » Tongarivo. Nanamafy ny minisitry ny mponina fa manadihady ny zava-misy ary mihaino ny fitarainan’ireo ivontoerana mikarakara olona manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina manerana ny nosy ary tsy maintsy hanao izay vitany amin’ny fanampiana azy ireny. Olona 63 no raisin’ny « Maison de la charité » an-tanana eto Antananarivo izay mitsinjara amina toerana 3 ka ny 12 ao Andohatapenaka, ny 16 eny Ambanidia ary ny 35 eny Tongarivo. Tany Fianarantsoa no nanatontosana ny fanamarihana ofisialy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana tamin’ity taona ity ka efa natomboka ny 29 novambra tamin’ny alalan’ny hetsika ara-panatanjahantena izany. Carnaval sy fampirantiana kosa no notanterahana ny sabotsy 2 desambra teo manoloana ny Espace Andry – Tsianolondroa. Nisy ihany koa ny fampisehoana lamaody, fanaovam-bolo ary fampisehoana fahaizana mikarakara sy mahandro sakafo. Natao tao anatin’ny firaisankina sy ny fifanohanana hanomezana zotom-po ny tsirairay ny hetsika, indrindra isorohana ny resaka fanilikilihana ireo olona manana kilema eo anivon’ny fiarahamonina. Nampiseho izy ireo fa mahavita zavatra ary afaka mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.