Actualités

Maintirano Mpanao gazety iray indray no voasambotra


  • Zoma 11 Jona 2010

Ankoatra ireo mpanao gazety enina tao amin’ny Radio Fahazavana dia nisambotra mpanao gazety iray indray ny zandary tany Maintirano omaly. Afakandro Alphonse na Fôfô no fahalalan’ny mponina any an-toerana ity mpanao gazety ity.

Omaly dia niteraka savorovoro tao Maintirano mihitsy ity fisamborana ity mpanao gazety ity.Raha tsiahivina dia resaka efa tamin’ny volana janoary ity mbola mitatra hatramin’izao ity. Nilaza vaovao mikasika ny fanondranana an-tsokosoko irony karazana sokatra tsy misy mpanana eran-tany afa-tsy ny eto Madagasikara irony ity namana mpanao gazety ity. Nahatsiaro tena ho voatohina tamin’ity resaka ity anefa ny zandary ao an-toerana ka nametraka fitoriana ny lehiben’ny kaompania.

Nisy fotoana efa niakatra taty an-drenivohitra ity mpanao gazety ity hanazava ny marina rehetra mikasika ity fanondranana an-tsokosoko sokatra ity. Nitondra porofo mihitsy izy tamin’izay. Niverina tany Maintirano anefa volana vitsy lasa izay dia izao nosamborin’ny zandary omaly izao. Hatramin’ny fotoana nanoratana anefa dia heno fa tsy mbola mety manao fanadihadiana azy ny Fampanoavana any an-toerana. Heno koa omaly fa nisy ny fihetsiketsehan’ny mponina tany an-toerana ho fanoherana ity fisamborana ity.  Ho hita eo ny tohiny.

 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT