Actualités

Mahazoarivo Niandry vasoka ny SMM


  • Talata 05 Oktobra 2010


Araka ny efa nambarany dia tsy nihemotra manoloana ny ramatahora nataon’ny FAT tamin’ny alalan’ny ministry ny fitsarana ireo mpitsara mivondrona ao amin’ny SMM eto an-drenivohitra fa nanatontosa ny fitokonany nanoloana ny biraon’ny Fitsarana tampony Anosy omaly 04 oktobra. Nisy anefa ny fampiantsoana ny biraon’ny Sendika hifampidinika amin’ny Praiministra ary nisy tokoa ny solontena nankeny Mahazoarivo izay notarihin’ny filohany Arnaud August Marius. Nasaina niandry vasoka anefa ireo delegasiona satria tsy voaray teny Mahazoarivo mihitsy izy ireo. Raha ny vaovao azo dia nihaona tamin’ireo solontenan’ny SADC izay mamita iraka eto amintsika amin’izao fotoana ny praiministry ny FAT. Nanao tatitra tamin’ireo namany ny filohan’ny SMM rehefa niverina teny Anosy ka nanambara fa aorian’ny filankevitry ny governemanta vao hampiantso ny SMM ny praiministra. Nohamafisiny koa fa vonona amin’ny fifampidinihana hatrany ny mpitsara saingy tsy manakana ny fitokonana izay hitohy hatramin’ny alakamisy izany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT