Actualités

MAHAY NY MPITONDRA


  • Talata 10 Martsa 2015

Mahay ny mpitondra eto Gasikara, No miavaka indrindra amin`izay nantsoina. Satria dia tsy hafa fa labatoara No indro ametrahany ireo traboina.






Mahay ny mpitondra eto Gasikara ,
Ny zava-tsy mety no ikirizana.
Iarivo no tiana ho voazarazara,
Satria main-tseza  ry  “hery vizana”.



Mahay ny mpitondra eto  Gasikara ,
No miavaka indrindra amin`ny teo alohany.
Toa mamonkin-tanana raha hizara,
Fa raha hoe handany dia tena lohany.



Mahay ny mpitondra eto Gasikara,
No miavaka indrindra amin`ny any ho any.
Vahiny no atao tsara karakara,
Potehina kosa ny teratany.

Mahay ny mpitondra eto Gasikara,
K`atao hirahira tsy hay soloina
Ny hahazo efatrefatra tena tsara,
Na be aza ny olona hoe traboina.

   SEDERA  RAVALISON (07-3-15)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT