Actualités

Mahavita be


  • Alarobia 22 Septambra 2010


Tafaverina indray dia miarahaba e. Hafa kely indray ry Jean ireny adin-dry zalahy tamin’ilay resaka mera ireny a. Fanina mihitsy ny akama teto an-tanana tamin’iny, tampoka be koa moa le izy. Aiza ve ry Jean dia tsy rony tsy ventiny eo dia ao anatin’ny “bazar de noel” indray anie hono no hatao ity fifidianana mera e ! Izay aloha no reko dia mba nanontany an-dry zalahy tan-dapa tao aho hoe : fa efa azo antoka angaha fa misy resaka Kaominina izany ao anatin’izany lalampanorenana vaovao ho avy izany no efa nofaritana sahady ity datin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ? Tena lazaiko an’ise ry Jean fa toran’ny hehy tamin’ny fanontaniako anie ry zalahy, dia naira-nilaza hoe : f’ialahy ve vahiny amin’izany e ? Hafakely tokoa mantsy aloha le izy raha ny fahitana azy e. Eny ampilalaovana baolina izahay teto no manongilangilan-tsofina mihaino radio eny dia mba mifanakalokalo hevitra hoe ahoana tokoa moa izany : ny lalampanorenana mbola tsy voafidy, izay rijan-teny ao anatiny aza tsy fantatra akory, misy resaka Kaominina ao sa Fokontany dia Distrika dia Faritany, nefa ity ny fifidianana mera efa resahina. Sao dia mba izay àry ilay sarety mialoha omby lazain-dry Ingahindriana e ? Lazaikoa ry Jean fa mbola tsy nisy toy ity izay nanaovana a ! Fa dia mahavita be ‘nareo e ! 

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT