Izany Guantanamo izany no tsy hay, fa dia nizaka ny mafy tokoa i Debon sy Dodo, mponina any Mahatsinjo Fokontany Ambalakondro, Kaominina Maromitety distrikan'i Vavatenina.
Fiarovana ny tany novidian’ny rain'i Debon tsy hobodoin’ny sasany an-keriny no nampijaliana azy sy Dodo. Nodimandry tamin’ny 10 aprily 2009 ny rain'i Debon, raha ny fitantaran'ny havan’ity farany. Namidin’ilay mpivarotra tamin’olon-kafa indray ny tany taorian’izay. Tsy nanaiky mora izany ny zanaky ny maty, fa nitohy nanajary sy namboly teo amin’ilay tany. Tonga hatreny amin’ny Fitsarana ny fifanolanana fa nahazo rariny ny zanaky ny maty. Niitatra amin’ny sotasota toy ny fikasana haka an-keriny ny voka-bary teo amin’ny tany ny raharaha nony taty aoriany. Nihamafy ny filana sotasota ary tonga tamin’ny fampiasan-kery mihitsy farany teo.
Angaredona
Voalaza fa manana vinanto miaramila ilay mpivarotra ny tany, ka dia io no niditra an-tsehatra sady nitondra namana sivily sy miaramila niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, nampihorohoro ny fianakavian’ny maty. Nanaovan’izy ireo angaredona tao Mahatsinjo ilay lehilahy zanaky ny maty, izay nijoro hatrany niaro ny tanin-drainy, ny alin’ny zoma 21 aogositra 2015. Norahonan’izy ireo horarafana tifitra avy ety ivelany ny trano nitoerany raha tsy mivoaka ny trano i Debon. Natahotra ity farany satria tao anaty trano koa ny reniny tamin’io ka dia nosokafany ny trano. Niitatra tamin’ny fisamborana an’i Debon sy Dodo ny dian’ireo andian’olona mitam-basy ireo ary dia nanomboka io zoma io koa ny fitazonana sy ny fampijaliana azy roalahy. Nampametra-panontaniana ny maro fahefana sy alalana nahafahan’izy ireo nanao izany. Nitsovatsovaka sy feno ratra ny vatan’izy roalahy. Olona sendra naheno ny kiakan'izy ireo mitaraina sy miantso vonjeo no nampandre ny fianakavian’izy roalahy tao Toamasina, ireo indray no nampandre ny mpitandro ny filaminana tao Toamasina. ireto Farany indray avy eo no nanome baiko mba hamotsorana tsy misy hatak'andro sy hampijanona miaraka amin'ny vava ny fampiasan-kery amin'i Debon sy Dodo. Omaly talata 25 aogositra, maraina no tonga tao Toamasina izy roalahy hanaraka fitsaboana. Nilaza tsy hipetra-potsiny manoloana izao raharaha izao ny fianakavian'izy roalahy ireto noho ny amin’ny fanosihosena ny zon'olombelona sy ny fanaparam-pahefana miharo herim-pamoretana natao azy ireo.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.