Vao tonga ny Tale Jenaraly vaovao dia tokony mba nampivory anay mpiasa aloha voalohany indrindra, mba nanontany hoe inona no zavatra tadiavinareo mpiasa sy ny zavatra tsy nety teto, hoy ireo mpiasan’ny SAMVA nanao fitokonana teny anoloan’ny Mikoja eny Ampasapito ny sabotsy 11 novambra teo.
Tsy nisy anefa izany, fa tonga dia tery vay manta tamin’ny asa no nandeha, hoy izy ireo. Nambaran’ireo mpiasa moa fa nisy ny asa tsy ara-dalàna, fa dia noterena fotsiny izy ireo. Ny tena olana anefa, hoy hatrany ireo mpiasa, dia raha vao manapaka indray andro, dia tapaka ny karama na ao anatin’izay “voyage” tsy ara-dalàna izay aza. Tsy fantatra hoe: iza no tena manapaka azy io na ny “chef personnel” na ny lehibe any ambony, hoy hatrany izy ireo. Ny asa mihantra aman’aina kanefa ny tery vay manta mandeha foana, ny vola tapaka, ary tena zara raha misy, hoy izy ireo. Nambaran’izy ireo ihany koa fa efa nisy ny fifanarahana tamin’ny andron’ny Tale Jeneraly teo aloha momba ny fampiakarana ny tambin-karana, saingy tsy nihantra amin’izao fotoana izao, ary nilaza mihitsy izy ireo hoe avereno ny Tale Jeneraly teo aloha. Isan’ny mametraka olana ihany koa ny resaka fitakiana diplaoma raha ny nambaran’ireo mpiasa, izay tsotra ny havalin’izy ireo izany hoe raha nanana diplaoma izahay tsy hanao mpandroaka fako, ka mba tokony hojerena ny zo maha olombelona fa tsy hararaotina amin’izany na dia fako maloto aza no kirakiraina. Tsy mba mahazo fiantohana ara-tsosialy ny mpiasan’ny SAMVA, ary mangataka izany izy ireo satria raha sanatria marary, ohatra, dia mianto-tena fa tsy mba misy izany OSTIE na CNaPS izany. Eo ihany koa ny tsy fandraisana mpiasa raikitra na dia efa am-polo taonany aza. Taorian’ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpiasa dia voalaza fa tonga teny Tale Jeneralin’ny SAMVA, ka tsy hay aloha na efa nilamina famaliana ny fitakian’ireo mpiasa na ahoana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.