Tsy misy izay tsy mikolay amin’ny hasarotan’ny fiainana amin’izao ny tokantrano Malagasy. Na miasa mafy aza tsy mety manam-bola mivaingana noho ny halafosan’ny vidin’entana eny an-tsena
. Vokany, herim-po very maina avokoa ny ezaka atao rehetra na dia efa tsy hatoriana andro aman’alina aza. Ho an-dramatoa Rasoa, renim-pianakaviana niteraka efatra dia vao mainka niha nitotongana ny fiainany hatramin’ny fiandohan’ny taona no ho mankaty. 5.000 Ar isan’andro ny vola ampiasainy. Tsy maintsy ampidirina ao anatin’io avokoa ny vary sy ny laoka ary ny saribao miampy ny ody ambavafon’ny ankizy. Voatery foanana izay tsy ilaina maika toy ny savony hanasan-damba, tsy ao anatin’ny tetibola intsony ny fitsaboan-tena raha marary, ny fividianana fitafiana…Marihina moa fa tsy ity fianakaviana iray ity irery no miaina izany fa saika ny tokantrano malagasy rehetra mihitsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.