Actualités

Mahamasina Tsangambato mampidi-doza


  • Talata 24 Aogositra 2010

Nentin’ny fitondrana Fahefana Avon’ny Tetezamita nanamarihana ny fankalazana ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena sady faha-50 taonan’ny foloalindahy malagasy ny nanovana sy nitokanana ilay tsangambato iray manoloana indrindra ny vavahadiben’ny kianja monisipaly Mahamasina, misy ny biraon’ny Kaominina hatramin’ny nahavoafidy an’i Andry Rajoelina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo.

Zaridaina misy zava-maitso no teo amin’ny toerana nanorenana ity tsangambato ity hatrizay. Araka izay maha tsangambato azy izay dia vato milanja amin’ny taoniny no mifanongoa eo. Ireo manampahaizana manokana momba ny taotrano sy ny maritrano izay nahita azy io anefa dia miray feo fa mampidi-doza io tsangambato naorina eo Mahamasina io. Araka ny fanazavan’izy ireo dia toerana fivarinan’ny rano amin’iny Mahamasina sy ny manodidina iny no nanorenana azy io. Tsy adala, hoy ireto teknisianina ireto ny mpitondra nifandimby ny Kaominina teto Antananarivo renivohitra tsy mametraka zavatra mavesatra hafa ankoatra ny zaridaina teo amboniny, satria dia fantsona vaventy (buses) no ao ambany ao, natao hitaty ny rano riaka avy any Ampamarinana sy Tsimialonjafy ary Mahamasina Atsinanana rehetra iny rehefa fahavaratra ny andro. Izay mandalo eny an-toerana dia samy hahatsikaritra ny fisian’ny lavaka fidiran’ny rano eo amin’ny fanambanin’io toerana nanorenana tsangambato io. Manahy noho izany ary ireto teknisianina ireto sao hiletsy tampoka ny tany misy ireo vatobe mifanongoa ijoroan’ilay tsangambato izay mety hampirodana ity farany ka dia ho zava-doza no haterany. Araka ny fantatra moa dia tompon’andraikitra taloha teo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ihany no nisisika ny tsy maintsy hananganana io tsangambato io teo anoloan’io kianjaben’i Mahamasina io. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT