Lehilahy roa, 27 taona sy 28 taona no voasambotry ny polisy tsy nanao fanamiana avy ao amin’ny Boriborintany fahadimy etsy Mahamasina, ny alakamisy 29 oktobra lasa teo.
Mbola teo am-pisintonana “ordinateur portable” teny amina tovolahy iray teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe izy ireo tamin’izay. Niara-niakatra tao anatin’ilay fitaterana izy roalahy ireo sy ilay tovolahy nendahiny ka raha vantany vao tafiditra dia namaha ny sakaosy nentin’itsy farany ka nisintona moramora ny “ordi portable” tao anatin’ilay sakaosy. Nidina avy hatrany izy roalahy taorian’izay. Tsy nahatsikaritra na inona na inona kosa ilay tovolahy tompony raha tsy efa lasa ilay fiara. Vao tafidina an’ilay taksibe anefa izy roalahy dia noraisin’ny polisy izay efa niandry azy teo amin’io toerana io. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.