Actualités

Mahamasina Nodiovina ny tanŕna, nalamina ny fifamoivoizana


  • Alatsinainy 23 Novambra 2015

Niroso tamin’ny asa fanadiovana faobe ny fiadidiana ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra ny sabotsy teo

 

. Ny Boriborintany voalohany sy fahefatra no voakasik’izany raha efa nanaovana hetsika avokoa ny Boriborintany efatra hafa. Tetsy Mahamasina no nisantarana izany niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny RF2, ny mpamafa lalana ary ireo mpiasan’ny Boriborintany. Nandray anjara koa ny mponina teny amin’ny manodidina. Tsy nisy ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana saingy nisy kosa ny fanentanana azy ireo mba hahay hanadio ny faritra misy azy rehefa miala amin’ny hariva. Anisany ireo mpanao taxi-phone. Nalamina ihany koa ireo taksibe mivezivezy eny amin’iny faritra iny izay nanaovan’ny polisy monisipaly sy ireo tompon’andraikitra dinidinika mihitsy, hisorohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana lava sy ny loto eny Mahamasina. Voavaha sy voafehy tsara anefa izany raha toa ka samy mandray ny andraikiny ny tsirairay.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT