Actualités

Mahamasina Mpangarom-paosy maro tratra ambodiomby


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Mpangarom-paosy 4 be izao no indray tratran’ny polisin’ny Boriborintany faha-5 tetsy Mahamasina tamin’ny alakamisy teo.

 Tratra ambodiomby mihitsy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireo, araka ny fanazavana nomen’ny kaomisera ao amin’ity Boriborintany faha-5-n’ny polisy ity, ary polisy manao fanamiana sivily izay nampisahanina manokana ny fandriampahalemana rehefa andro tsena no nahasambotra azy ireo. Mbola anisan’ireo voasambotra moa i Gisa kely avy eny Anosibe izay efa tena raindahiny amin’ity fangaronam-paosy ity. Ny roa vavy kosa dia samy avy eny Ankorondrano eny no fiavian’izy ireo ary samy mbola tovovavy bevohoka  samy nilaozan-dehilahy avokoa raha ny filazana azo. Fa omaly zoma tamin’ny fiandohan’ny tokakandro koa no tra-tehaky ny olona teny Ankadilalana ambanimbanin’ny tobin’ny zandary rehefa nifanenjehana  ny mpanao sinto-mahery telefaonina an-tanan’olona iray ka nentin’izy ireo tao amin’ny polisin’ny Boriborintany faha-5 etsy Mahamasina. Mbola tratra teny an-tanan’ity mpanao sintomahery ity moa ilay finday nangalariny. Anio sabotsy no fantatra fa hatolotra ny fampanoavana etsy Anosy izy 5 ireto.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT