Ankoatra ny fandravana amin’ny alalan’ny herisetra ireo fihetsiketsehana sy ny hetsika politika manelingelina ny Fahefana Avon’ny Tetezamita dia manararaotra manao asa ratsy ihany koa ireto andian-jatovo na mabôto manohitra mafy an’i Marc Ravalomanana.
Hatramin’ny nisian’ny krizy politika ny taona 2009 dia niharatsy ny fandriampahaleman’ny tanànan’i Mahajanga. Manahy mafy ny rehetra ankehitriny satria afaka andro vitsivitsy dia ho eny amin’ny tanànan’i Abatoara, toerana efa fantatra fa misy ireto andian-jiolahy mpandrava ireto no hisy ny fiantsonam-piarakodia mpitatitra olona. Toa mampidi-kizo ny vahoaka ity raharaha ity satria toa hampandroso ny mpandeha ho eny am-bavan’ny voay. Efa mba vonona ve ny fitandroana ny fandriampahalemana mikasika izany ? Na ny antoandro aza mantsy dia mamely ireto mabôto ireto, indrindra fa ny hariva be, raha somary tara ny fahatongavan’ny fiara mpitatitra ? Araka ny filazan’ny mpitadidy dia efa mpikatroka tamin’ny fanaovana barazy tamin’ny taona 2001 ireto andian-jatovo ireto. Somary niala ny tanàna izy ireo rehefa tafakatra ny fitondrana Ravalomanana ary dia izao nipody izao indray ka nampiasain’ny mpanao politika sasany ao an-toerana hanoherana ny hetsika politikan’ny ankolafy telo.
Vao niainga ny hetsika tao amin’ny Magro Mahajanga dia noravan’izy ireo tamin’ny alalan’ny herisetra. Ny mpianatry ny oniversite nitaky vatsim-pianarana ka nidina an-dalambe koa dia nahita faisana farany teo ary efa saika voaroban’izy ireo niaraka tamin’ny mpanararaotra tamin’izany ny Gastro Pizza ao Tsaramandroso. Misetrasetra tokoa ireto andian-jatovo ireto ary sahy mihantsy ny mpifanandrina aminy toy ny tamin’ny faramparan’ny taona lasa iny rehefa nandeha ny feo fa hanao hetsika ny zanak’i Dada. Vokatr’izany dia tsy misy ny fanehoan-kevitra malalaka sy ny fihetsiketsehana politika, indrindra fa ho an’ireo izay manohintohina izao fitondran’ny FAT ankehitriny izao ary miharatsy hatrany ny fandriampahaleman’ny tanàna. Toa mampahatsiahy ny TTS fahiny teto an-drenivohitra izay nopotehin’ny mpanao Kung Fu tamin’ny fotoan’androny ity fikambanana mabôto ity. “Tsy afa-manoatra sy mitazam-potsiny ny mpitandro ny filaminana ary tsy takatry ny fitsarana izy ireo noho ny fisian’ny mpiaro azy ireo”, hoy ity raiamandreny iray sendra ny Tia Tanindrazana. Mahatsiaro tena voageja sy tsy misy mpiaro ankehitriny ny mponin’i Mahajanga tia filaminana izay manimanina ny mpitondra teo aloha, nahavita be tokoa ho an’ity tanànan’ny renivohitr’i Boeny ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.