Roa lahy avy aty Antananarivo no nitondra vola sandoka 10 000 Ariary maromaro ka nipetraka tamina trano fandraisam-bahiny tao Mahajanga.
Raha ny fantatra dia nihotra tamina ramatoa mpanotra iray izy roa lahy ka nitondra vola mitentina 40 000 Ariary ho tambin-karaman’ilay ramatoa. Tsikaritr’ilay ramatoa fa sandoka ireo vola ka nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana izy. Vokatry ny vela-pandriky ny polisy dia tratra ny iray ary mbola nahitana vola sandoka hafa tany aminy. Miparitaka ao Mahajanga ny vola sandoka 10 000 Ariary ka mila mitandrina ny rehetra. Ny vanim-potoana fialantsasatra toy izao no tena fanararaotan’ny mpanao ratsy. Hatolotra ny fitsarana anio ilay lehilahy iray tratra.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.