Ny alarobia teo dia nivoaka ny fanapahan-kevitra avy amin’ny fiadidiana ny tanànan’i Mahajanga fa azon’ireo mpitondra Bajaj ny miasa manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora alina mandritra ny fetin’ny Paska.
Mbola azon’ireo Bajaj aleha koa ny mivoaka ny tanànan’i Mahajanga toy ny eny amin’ny Sotema sy eny Amborovy ka hatrany amin’ny torapasika Petite plage. Notsipahin’ireo fikambanan’ny mpitatitra fiarakaretsaka io fanapahan-kevitra nivoaka io satria tsy manaraka izay voaraikitra ao anatin’ny bokin’andraikitra izay voasonia, hoy izy ireo. Raha ny tsikaritra dia nihena ny mpampiasa fiarakaretsaka noho ny halafon’ny sarany izay efa mahatratra 4 000 Ar ny «course», raha 1000 Ar amin’ny Bajaj. Nilaza ireo mpamily taksi fa raha tsy foanana io fanapahan-kevitra noraisin’ny Pds Mahajanga io dia hiditra amin’ny dingana ambony izy ireo.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.