Ny fokontany lavitra fanariam-pako no tena ahitana fako misavovona na dia efa miezaka hatrany ny mpiasan’ny kaominina maka ireo fako ireo
. Ny ao amin’ny fokontany Tsararano sy Ambalavola ary Mahavoky- Atsimo no tena feno fako ka voatery miaina ao anatin’ny loto ireo mponina. Ny lehiben’ny fokontany aza dia efa manentana ny hetsika fanadiovana saingy tsy mbola hita taratra hatrany ny fahadiovana etsy sy eroa. Ny fiara ao amin’ny kaominina rahateo tsy ampy mitatitra ireo fako eny amin’ny Manga tokana. Ho sarotra ho an’ireo vahoaka anefa ny hiatrika fety ao ananti’ny fahadiovana ratsy misy ny fanadiovana ireo fako mirantona isam-pokontany ireo. Etsy andaniny koa ho mora ny hidiran’ny aretina raha mbola mitohy ity loto iainan’ny vahoaka ao Mahajanga ity.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.