Actualités

Mahajanga Manao tohivakana ny famindran-toerana mpiasam-panjakana


  • Alarobia 06 Oktobra 2010

Voakasika avokoa na administratera sivily na manamboninahitra lehibena fibaikoana miaramila. Tao Boeny fotsiny, ohatra, faramparany teo dia Lehiben’ny distrika telo no nahazo famindran-toerana. Nafindra any Antsiranana ny lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga I, Feno Georges.

Tamin’ny fitondrana Ravalomanana izy no voatendry hiasa tao, ary roa taona sy tapany teo amin’io toerana io izy izao nafindra izao. Araka ny fantatra dia Antalaha no toerana nofidiany hiasana. Nalefa any Toliara ny Lehiben’ny Distrika tao Soalala, ary ny an’i Mahajanga II, Rasamoelina Doris, nahazo famindran-toerana hiasa any Antsohihy. Matetika moa amin’ny famindran-toerana toy itony dia intrangana fanoherana na fandavana. Matetika izy io dia mety ho tsy ara-dalàna ny taratasy fanendrena, toy ny hoe naoty no amonoana didim-panjakana. Misy koa anefa manda tsotra izao ny tsy handeha, noho ny fahafantarana olona na mety aminy fotsiny izao ilay toerana dia tsy tiany hialana. Re mantsy fa toa malaina hiala ny lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga II, na dia efa naharitraritra ihany, 5 taona, eo amin’io toerana io. Ny lalàna mifehy ny administratera sivily anefa dia tsy tokony hiasa mihoatra ny dimy taona amin’ny toerana iray, amin’ny maha mpiasam-panjakana ambony azy, mba tsy haka volon-tany.

Fa anisan’ny nahazo famindran-toerana koa ny komandin’ny kaompanian’ny zandary tao Mahajanga. Mandeha be ny resaka any an-toerana fa voasaringotra tamin’ny raharaha Rabesalama, ilay zandary adzidà namono nahafaty vazaha frantsay teny ambony sambo, roa volana lasa izay ity komandy ity.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT