Olona miisa 90 eo avy amina kaominina miisa 16 manerana ny Nosy no mandray anjara amin’ny atrikasa momba ny fanolorana tetikasa fanatsarana tsena ao an-drenivohitry ny Faritra Boeny. Telo andro nanomboka ny alatsinainy teo ary hifarana anio alarobia 21 jolay no naharetan’ny atrikasa.
Ny AGETIPA (Agence d’Exécution des Travaux d’Intérêt Public et d’Aménagement), masoivoho mandrindra ny fanatanterahana fotodrafitrasa avy amin’ny tolotrasam-panjakana no mikarakara azy ity ka saika ireo tompon’andraikitra toy ny Ben’ny tanàna sy PDS amin’ny Kaominina ambonivohitra iasany no mandray anjara amin’izany atrikasa izany ao amin’ny “Roche Rouge”. Ankoatra ny fifampizarana traikefa dia anisan’ny hojerena mandritra ity fampivondronana ao Mahajanga ity ny fanatsarana ny tsenan’i Mahabibo.
Fa ny nanaitra amin’izy ity dia ny Ben’ny tanànan’i Manakara teo aloha, Andriano Giscard no nasain’ny AGETIPA hisolotena ny Kaominina handray anjara tamin’io atrikasa io na dia efa PDS aza no amperin’asa ao Manakara. Nandefa solontena moa ingahy Ben’ny tanàna, ka Sekretera jeneralin’ny kaominina, izay mpiara-miasa niara-nesorina taminy ka nosoloina delegasiona manokana no mitarika azy ireo any. Ho an’ny tanànan’i Toamasina anefa dia delegasiona manokana no voaasa, ka nandefa ny lefitra voalohan’ny PDS. Voaasa toraka izany koa ny PDS-n’i Fianarantsoa, Pety Rakotoniaina, tsy nandeha moa ity farany. Ny talen’ny kabinetra, ny kaomisera Rabearisoa Alexandre no nisolotena ny PDS-n’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy eto an-toerana fa any Frantsa hatramin’ny faran’ny herinandro teo ny PDS, Edgard Razafindravahy. Araka ny fantatra dia manodidina ny fiaraha-miasa amin’ny AFD (Masoivoho frantsay momba ny fiaraha-miasa) no handehanany any. Tsilian-tsofina koa anefa no nandrenesana fa vao tafaverina telo andro avy any Maorisy ny PDS izao lasa any Frantsa izao indray.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.