Actualités

Mahajanga Lasa seranana fanondranana hazo sarobidy ?


  • Alarobia 10 Novambra 2010

Araka ny resaka mandeha tany amin’iny ilany andrefan’ny nosy iny dia ny zoma lasa teo no voalaza fa niala tao amin’ny serana-tsambon’i Mahajanga ny ‘cargaison’ faharoa nitondra ireo hazo sarobidy tsy ara-dalàna avy aty amintsika ka aondrana anyivelany.

Fantatra ihany koa araka ny ritsoka niainga avy ao any an-toerana fa dia mbola hisy kontenera hafa hianga amin’ny faran’ity herinandro ity mitondra hazo sarobidy, ao anatin’izany ny voamboana. Araka ny vaovao dia miova lasy any amin’ny serana-tsambon’i Mahajanga ny seranana fanondranana ireo hazo sarobidy raha tany Toamasina teo aloha no tena namantarana izany. Mirongatra ny fanondranana miainga avy ao Mahajanga, araka izany. Ny sambo hiainga manaraka, araka ny fampitam-baovao dia ny 15 novambra ho avy izao. Dia fanontaniana no apetrak’ireo mpanara-baovao raha toa ka fantatry ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina izany fanondranana an-tsokosoko izany na tsia, satria izy dia efa nilaza hitam-poko hitam-pirenena fa tsy azo ekena ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ary tokony ho hentitra ny fanaraha-maso ary henjana koa ny sazy ho an’izay manao izany. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo nametra-panontaniana tao an-drenivohitr’i Boeny hoe fifandrifian-javatra ihany ve ny nahatongavan’ny filohan’ny FAT tany sy ity resaka hazo sarobidy ity sa ahoana. Araka ny vaovao ihany dia mpandraharaha 4 no toa hoe nahazo fahazoan-dalana tato anatin’ity 3 volana ity. Avy any atsinanana izany dia nivadika any andrefana indray ny fanondranana ny hazo sarobidy 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT