Iray volana mahery izay no tsy nahitana delestazy intsony ny tao ambonivohitra Mahajanga
. Efa tonga tao an-toerana mantsy ireo milina nafarana avy any ivelany ka efa saika miasa avokoa ireo milina roa lehibe entina hanampiana ireo efa miasa hatramin’izay. Ny orinasa Eneleque no manampy ny orinasa Jirama amin’ny famatsiana herinaratra ao Mahajanga. Hatreto aloha dia azo lazaina fa efa afaka ny delestazy ao an-toerana, hita fa niezaka tamin’ny famahana ny olana ny talen’ny Jirama ka irina dia ny tsy hiverenan’ny delestazy lavareny intsony.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.