Niferotra ny basy, ary poa tahak’izay dia lasan’ny jiolahy ny fiara 4x4 pick-up miloko fotsy. Teny amin’ny “Bord” no nitrangan’izay ny alin’ny zoma 20 aogositra teo. Ny olona amin’io mifanaretsaka izay tsy izy, maro mpanao vakansy rahateo any an-toerana, moa nisy hetsika ara-pivavahana koa nifanindran-dalana tamin’izany teo amin’ny “Bord”.
Tao anatin’izay olona mifamoivoy izay indrindra anefa no nakan’ireo jiolahy ankeriny ity fiara ity. Fiaram-bazaha Frantsay, mpiasan’ny Réfrigepeche, izy io. Ankevitry ny efa nojokoin’izy ireo ilay vazaha, fa raha avy nitsangantsangana teo amin’ny “Bord” ka iny hiditra ny fiara iny indrindra izy no nipoitra tampoka ny telolahy misaron-tava. Raikitra ny sakoroka, teo akaikin’ny biraon’ny Topo, naratra noho izany ilay vazaha ary voatery notsaboina tao amin’ny hopitaly Androva. Ny fiara kosa lasan’ireo jiolahy. Taorian’io tranga io ihany, nisy fanafihana mitam-basy nitranga tao Mahajanga Be. Ny “Bijouterie Davodra”, mpivarotra volamena izay Karana no tompony, no lasibatra teto. Efa nikatona ny toeram-pivarotany saingy avy aty an-damosin’ny trano, izay toerana fanjairana, mbola an’ilay Karana ihany, no nitsofoka ireo jiolahy, izay toa efa mahalala tsara ny firafitry ny trano. Teo ampanidiana trano, tsy nanampo na inona na inona, no indro dimy lahy, ka ny telo manao saron-tava ary ny roa amin’izao, no niditra ankeriny ary nandraoka ny vola sy ny firavaka hitany tao. Eny fa na ny teny ambozon’ilay Karana vavy vadin’ny “patron” aza nendahin’izy ireo avokoa.
Firavaka, volamena sy volafotsy, milanja 800 grama miampy vola 15 tapitrisa no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Basy poleta (P.A) vita gasy no nentin’izy ireo nampihorohoro tamin’io. Nirifatra nitsoaka tamin’ny 4x4 fotsy, avy nangalarina teny amin’ny ‘Bord” izy ireo rehefa vita ny “opération”. Niantso vonjeo ilay Karana lahy taorian’izay. Vetivety dia tonga ny polisy ary raikitra ny fifanenjehana. Navelan’ireo jiolahy teo akaikin’ny kolejy Notre Dame ilay fiara “4x4 pick-up fotsy. Navelan’izy ireo tao anatiny ny “coffre” nisy ny volamena saingy efa foana tanteraka. Nanjavona kosa ireo jiolahy. Mafanafana ny tanànan’i Mahajanga. Saika fanafihana mitam-basy no mitranga, ary namoizana ain’olona mihitsy izany. Hatramin’ny fiandohan’ity volana aogositra ity dia Sinoa mianaka, mpitantana trano fisakafoanana no nisy namono. Teo koa ilay vazaha Frantsay lahy novonoin’ilay zandary teny ambony sambo. Dia izao mitohy izao, amin’izay miseho amin’ny fotoana mahabetsaka ny mpitsangantsangana any an-toerana indrindra, toa mihantsy mpitandro ny filaminana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.