Actualités

Magro Tanambao V Lasibatry ny halatra ampahibemaso


  • Alarobia 21 Jolay 2010


Manomboka misy mangalatra ankehitriny ireo vifotsy sy vin’ny Magro Tanambao V, ambin’ireo tsy may nandritra ny nandoran’ny sasany ny fananan’ny filoha Ravalomanana Marc, tamin’ireny fanimban-javatra ny taona 2009 ireny. Afovoan-tanàna anefa ity magazay ity ary manakaiky tobina zandary ihany koa, nefa eo imason’ny mpandalo sy ny mpitandro ny filaminana no sahy maka ireo vifotsy sy vy ao anatiny ireo mpanao izany. Mitombo manaraka izany koa ny mpividy ao Toamasina mangorona tsy amin’ahiahy.

Efa nofefena ity Magro Tanambao V ity, ary efa nasiana soratra fa fananan’olon-tokana. Efa nisy koa ny fametrahana mpiambina tao, fa tsy nanakana ireo mpangalatra izany. Natao toeram-pihaonan’ny mpandala ny ara-dalàna ity toerana ity teo aloha, fa noho ny resaka politika dia nenjehina tao izy ireo ary nametrahana mpitandro ny filaminana maraina sy hariva niambina ireo mpivory tao tamin’izay. Ankehitriny anefa, raha niala tao ny mpiambina sy ny mpandala ny ara-dalàna, dia tsy hita koa ireo mpitandro filaminana nirahina nanao ny fanakanana, hany ka anjakan’ny mpangalatra ity fananan’olona manokana ity. Taorian’ny fandravana nataon’olona ny Magro Morafeno nefa eo ampitana tobina zandary koa, dia ny Magro Tanambao V indray izany no ravaina manaraka, amin’ny fangalarana mialoha ny vifotsy sy ny vy ao aminy, ary mifarana amin’ny fandravana ny trano ihany koa tsy ho ela, hakana ny vato samy hafa hamidy amin’ny tokony eny an-tsisin-dalana.
Misy mampirisika ve ireo mpanao azy ity, sa mbola mitohy ny valifaty política ? Na ho inona anefa no ambara, dia efa nandray ny andraikiny ny tompon-toerana, fa maro koa ny sakana tsy ahafahana mikarakara ny toerana, satria isaky ny miditra ao ireo tompony sy ny iraka manokana, dia ny mpitandro ny filaminana no tonga mialoha, fa tsy hita izy ireo raha ny mpangalatra no maka ity fananan’ny filoha Ravalomanana Marc ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT