Nanararoatra ny fampihavanana ny tany amin’ny faritra nampisehoana ny kandidà ben’ny tanàna satria efa nalamin’i Dada, hoy Rarison Hilarion tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy teo
. Efa miaro ny ara-dalàna dia ankasitrahana na iza na iza ary raha izao no mitohy dia ho teraka sahady ny Repoblika fahadimy satria fihonganana no hisy fa tsy fanonganana ary ny hafatra avy amin’ny Faritra rehetra dia hoe alevao i Marc Ravalomanana halalaka fa izy no nahavita. 15 volana taorian’ny faneken’ny iraisam-pirenena dia tsy misy ny vola ka mitokona ny atsy, mitokona ny eroa ary ho betsaka ny fanambarana samihafa. Miady amin’ny alalan’ny haino aman-jery ny praiminisitra sy Ingahy Goldblatt, hiereto fa ianareo no nametraka azy teo, ny antsika kosa misy mamangy ary ny tena henjana, hoy ny kabary . Noho ny zavatra vitany no aneken’ny vahoaka sy ny any ivelany an-dRavalomanana Marc, hoy Randrianjatovo Henri Faratsiho, asa aiza ho aiza ny tombana vitan’ireo olona nilaza fa hitondra fiovana ? ary ny mahazendana dia izy ireo tsy mitondra afa-tsy kiana. Fa mbola mitovy fiasa amin’ny tetezamita ihany ny fitondrana ankehitriny, hoy Raobelina Fenomanjato, ary hita fa mbola varina manao politika ny tafika ka tafihin’ny jiolahy ny toby. Asa raha sitrapon’ny mpitondra , hoy Ralaimampisainarinony Manoela, fa sahirana ny firenena. Mitotona any amin’Atoa Rivo Rakotovao avokoa ny alahelom-bahoaka ary tsy maintsy tonga any amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izany ary ny hita dia ohatry ny hoe Atoa Rivo Rakotovao no mitondra. Izao vao nisy “passation” ka ny olona esorina dia entin’ny mpitandro ny filaminana.
RHR/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.