Mihorohoro ireo mponina nanorin-trano ao amin’ny faritry ny tanin’ny oniversite Maninday Toliara. Re mantsy izao fa nisy nandefa taratasy nanome fe-potoana 72 ora azy ireo hialana amin’ny tanin’ny oniversite.
Mandrahona ny handoro izay trano rehetra miorina ao ny mpandefa ny taratasy raha dila io fe-potoana io ka tsy miala izy ireo. Mifamahofaho be ihany ny resaka hatreto satria tsy fantatra mazava na avy amin’ny mpianatry ny oniversite ao Maninday ny taratasy na andian’olona mampihorohoro ao an-tanàna, fa ny zava-nisy dia nisy nanidy ny vavahady mihazo an’i Maninday omaly maraina, nivoha ihany izany nony antoandro ny andro. Mampanahy be ihany ny mponina ao Maninday sy ny manodidina ny zava-misy. Tapitra anio alakamisy 06 mey ihany koa ilay fe-potoana 72 ora. Etsy an-danin’izany dia mitaky ny handraisana fepetra amin’ireo biby fiompy toy ny osy, mirenireny ao amin’ny faritry ny sekoly ny mpianatry ny oniversite ankoatra ny fitakiana ny hanamboarana fotodrafitrasa fidiovana ary ny vatsimpianarana izay olana iraisan’izy ireo amin’ny mpianatry ny oniversite any amin’ny faritra hafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.