Actualités

Madagasikara sy Royaume Uni Hampiroborobo ny fifandraisana efa ho 200 taona


  • Alatsinainy 23 Novambra 2015

Tontosa tany Londres ny dinika miompana amin’ny fifanakalozana ara-barotra ary ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy Royaume Uni.

 

 Nomarihan’ny Filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina sy ny Minisitra britanika misahana an’i Afrika, Atam Sandhu, fa ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’ny tany roa tonta dia efa niatomboka tamin’ny taona 1818 ka nohamafisin’ny Filoha Malagasy ny tokony hampiroboroboana izany fifandraisana manan-tantara izany, hahatonga ny fiaraha-miasa mahomby. I Royaume Uni dia anisan’ireo firenena 6 mampiasa vola be indrindra eto Madagasikara. Ny sehatra tena iasan’ny anglisy dia ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny solika. Nambaran’ny Filoha Rajaonarimampianina fa firenena manankarena voajanahary sy azo ampiasam-bola tsara i Madagasikara ary manana mponina tanora sy mavitrika. Navoitrany ihany koa ny tontolo iainana tsy manam-paharoa.

Mila famatsiam-bola sy fampiasam-bola mafonja i Madagasikara mba hanatsarana ny harinkarena ary mila fotodrafitrasa sy angovo ary teknolojia maro, hoy ny Filoha Malagasy, ka niompana tamin’izany ny fifampidinihina.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT