Maro ireo lafin-javatra mampitovy an’i Madagasikara sy i Korea Atsimo. Anisan’izany ny fomba fiainana amin’ny ankapobeny, ny foto-tsakafo, ny kolontsaina sy ny fifampitondrana eo anivon’ny fiaraha-monina. Samy voazanaky ny firenena matanjaka
ihany koa na i Madagasikara izay teo ambany vahohon’ny frantsay na i Korea izay nisedra ny sotasotan-dry zareo japoney. Midadasika ny firenena Malagasy raha kely kosa ny velarantanin’i Korea roa tonta. Manan-karena i Madagasikara fa mahantra i Korea. Nitondra zavatsoa hoan’ny koreanina tasimo manokana ny fanjanahana japoney nandritra ny 35 taona. Antony mampatanjaka ity firenena ity ny fijoroan’ny filoha Park tsy niankin-doha na nivelona tamin’ny fanampiana sy hataka tamin’ny firenena mpanjanaka japoney. Niteraka fatiantoka goavana kosa ny fibodoana sy fampiasan-kery frantsay. Mbola tsy afa-bela amin’ity farany hatreto ireo mpitondra Malagasy nifandimby izay sakana hoan’ny fampandrosoana eto Madagasikara. Nisongadina moa ireo tamin’ny fifampizarana fahalalana sy traikefa momba ny fampandrosoana sy ny fitondrana olona nataon’ny ny reverand dokotera Chang Ju Kim tamin’ireo mpitantana ny kaominina Antehiroka notarihan’ny ben’ny tanàna Randrianarison Patricia sy ireo sefo fokontany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.