Lesoka ho an’ny mpitondra fanjakana eto Madagasikara ny tsy fananana ilay antsoina hoe fahavononana politika. Mailaka tokoa isika amin’ny fankatoavana sy fanaovan-tsonia ireo karazana fifanarahana iraisam-pirenena fa malaina kosa amin’ny fampiharana azy.
Nankatoavina sy nosoniavin’ny firenena Malagasy ohatra ny «Fifanarahana iraisam-pirenena miompana amin’ireo zon’ny zaza» tamin’ny taona 1991 ahitana andininy 54. Voaresaka manokana ao amin’ireo andininy faha-28 sy 29 ny mikasika ny fampianarana sy ny zava-kendrena izay nohamafisin’ny Lalàmpanorenana Malagasy ao amin’ny andininy faha-23 sy 24 saingy toa tsy hita taratra mihitsy hatreto ireo asa mivaingana mifandraika amin’izany. Nampahafantarina ampahibemaso tany Jomtien ny taona 1990 ihany koa ilay fandaharanasa iraisam-pirenena «Fanabeazana ho an’ny rehetra» ary nofohazina indray tao Dakar ny volana aprily 2000. Manana hatramin’ity taona 2015 ity ireo firenena rehetra nanome toky hanatanteraka ireo tanjona 6 voarakitr’ity asa programa tsimialonjafy ho an’ny ankizy, tanora ary olon-dehibe ity. Nandamoka tamin’ny andraikitra lehibe notakiana taminy moa ny firenena Malagasy. Mijoro hiaro ny fisitrahan’ny rehetra ireo zo ara-panabeazana kosa ankehitriny ny «Coalition Nationale Malgache pour l’Education Pour Tous». Nisafidy manokana ny hiara-kiasa amin’ny mpikirakira vaovao ity firaisankinam-pirenena Malagasy ity. Fampiofanana sy fifanakalozan-kevitra ho an’ny mpanao gazety no nisantarana izany ny alakamisy teo, teny Antaninarenina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.