Actualités

Madagasikara Mitatao ny sazy iraisam-pirenena


  • Alarobia 12 Jolay 2017

Nilaza ny tompon’andraikitry ny Amnesty International aty Afrika Atsinanana Deprose Muchena,

 fa an-dalam-pahapotehana ny resaka fanajana ny zon’olombelona eto Madagasikara ary tsy misy ny fanajana ny tany tan-dalàna. Nodinihin'ny komity momba ny zon'olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana  nandritra ny fivoriana faha-120 tany Genève nanomboka ny 10-11 jolay ny momba an’i Madagasikara, ka nantsoina tany ny Minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza. Vaindohan’ny resaka ny fanatanterahana ny fifanekena iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy politika (PIDCP), izay tsy voahaja eto amintsika. Araka ny tatitra avy amin'ny Amnesty International mikasika an’i Madagasikara tonga tany am-pelatanan'ny Firenena Mikambana, dia mahoraka ny tsy fanatanterahana didim-pitsarana, fanitsakitsahana ny fahalalaham-pitenenana, habibiana tsy roa aman-tany… ka izay no hisian’ny fandinihana manokana. Anisan’ny nanaovana tatitra ihany koa ny raharaha Antsakabary, izay nisian’ny doro trano, izay voalaza fa nataon’ny polisy. Efa nilaza ny hamoaka ny marina momba iny ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra saingy fampanantenana poakaty no betsaka na dia namoizana ain’olona 3 aza ny savorovoro tany an-toerana hatramin’ny nanombohany, ankoatra ny fahamaizan’ny trano miisa 487 be izao. Teo ihany koa ny nanagadrana an’i Clovis Razafimalala, ilay mpiaro ny tontolo iainana, izay tsy nisalasala namoaka ny marina momba ny resaka fanondranana hazo sarobidy. Tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny intsony eto fa toy ny efa tany miady tantanin’ny mpitondra jadona. Nasian’ny Amnesty International resaka ny tsy fahalalana maneho hevitra sy ny fandrahonana ny mpanao gazety sy ny mpiaro ny zon’olombelona. Andrasana izay hambaran’ny firenena mikambana na hanome fampitandrena na hanome sazy henjana avy hatrany na handray fanapahan-kevitra hafa mihitsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT