Actualités

Madagasikara Mandindona ny krizy ara-tsakafo


  • Zoma 07 Desambra 2012

Ny vaovao navoakan’ny RFI na Radio France Internationale omaly maraina no nahafantarana voalohany fa efa mihatra eto Madagasikara ny antsoina hoe «Etat d’Urgence», izany hoe tena tra-pahasahiranana ny firenena.

 Ny firongatry ny andiam-balala izay efa tonga ao Betafo sy Antsirabe sy ny mety hisian’ny fahasahiranana ara-tsakafo goavana atsy ho atsy moa no nambara fa anton’izany. Vola eo amin’ny 10 tapitrisa dolara eo moa no ilaina amin’ny ady amin’ny valala eto amintsika amin’izao, tsy misy afa-tsy 1 tapitrisa dolara anefa raha araka ny fantatra ny vola eo am-pelatanana, hahafahana miasa amin’izao fotoana. Efa elaela ihany no nanomboka niparitaka tamin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny ny valala, saingy tsy taitra ny fitondrana tetezamita. Teto amin’ny Tia Tanindrazana dia efa nitatitra im-betsaka fa efa tonga ao Betafo sy Antsirabe ny andiam-balala, fa angamba noheverin’ny sasany fa vaovao tsy marina ilay izy.

Manapotika ny fambolena ny valala, ka rehefa potika ny voly dia tsy misy ny vokatra, ka rehefa tsy misy na tsy ampy intsony ny vokatra dia tonga amin’izay ny krizy ara-tsakafo sy ny hanoanana, dia asa izay hanjo ny Malagasy eto. Ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro etsy ankilan’izay dia efa nampandre fa ho manify ny rotsa-korana, ahiana koa ny hisian’ny haintany noho izany. Rehefa tena tafiditra ao anatin’ny vanimpotoan’ny rivodoza indray anefa isika dia hahery vaika ny orana sy ny rivotra, dia hitombo hatrany ny fahapotehana sy ny fahavoazana.

Fotoana angamba izao hampiasan’ny fitondrana tetezamita haingana ireo volabe azony, na avy amin’ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany izany, na avy amin’ny nivarotana ilay fiaramanidina “Air Force One 2”, izay mitentina 25 tapitrisa dolara eo ho eo. Tsara homarihana fa tsy misoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana io vidin’ny Air Force One 2 io, fa ny minisitry ny vola fotsiny no nilaza fa efa narotsaka manontolo any amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ilay izy. Mbola ankamantatra kosa anefa ny hampiasana azy sy ny fomba hamoahana azy avy ao indray sy ny hitantanana azy.

RTT

Hevitry ny Tia Tanindrazana

Tsy mbola voafehy ny asan-dahalo, tsy any atsimo ihany fa any amin’ny faritra andrefan’ny Nosy koa. Manomboka miakatra ny vidin’ny vary, tsy misy ny famatsiam-bola avy any ivelany, dia io fa mipoitra indray ny andiam-balala izay tena hisy akony ratsy amin’ny fambolena ka mety hitarika krizy ara-tsakafo eto amintsika. Tokony ho efa niomana ny amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny valala ny fitondrana tetezamita ary nanokana tetibola hahafahana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa. Saingy Efa manana traikefa amin’ny famonoan’afo amin’ireo fitokonana maro samihafa anefa izao tetezamita izao, ka angamba tsy taitra ary tena nihevitra fa vetivety koa dia ho foana ny andiam-balala. Sa kosa ve tsy maninona na potika aza ny vokatra sy tsy ampy ny sakafo ny Malagasy ? Mitohy hatrany mantsy ny famatsiam-bola avy any ivelany momba io sehatra ara-tsosialy io.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT