Actualités

Madagasikara Mahatratra 7,8 tapitrisa ireo tsy manana trano fivoahana


  • Talata 12 Mey 2015

Mba ho fitandroana ny fahasalaman’ny rehetra, indrindra fa ireo ankizy madinika latsaky ny dimy taona dia nomarihina tao amin’ny kaominina ambanivohitra Bongatsara, distrikan’Atsimondrano ny hetsika fanadiovan-tanàna

 

nandraisana paik’ady amin’ny fanaovana maloto an-kalamanjana. Ankoatra ireo fokonolona mivondrona ao anatin’ilay tetikasa fanadiovana tanteraka tarihin’ny fokonolona na ny FTTF  dia nampandraisana anjara ihany koa ny sekoly rehetra ao amin’ity kaominina ity  mba hahafahana mampita ny hafatra amin’ireo kilonga madinika. Nandritra io fotoana io no nanomezan’ny UNICEF bisikileta ho an’ireo mpanentana ao anatin’ny tetikasa mba hahafahan’izy ireo manao ny asany ara-dalàna. Tsiahivina moa fa mbola mahatratra 8 hetsy sy 7 tapitrisa ireo olona  tsy manana trano fivoahana eto amintsika.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT