Ministra kaomaorianina iray izay vahinin’ny onjam-peo tsy miankina «Antenne Réunion», afak’omaly hariva, no nilaza fa mety ho ao Madagasikara no hasiana ny fonja ho an’ny piratin’ny ranomasimbe indiana. Misy amin’izao fotoana izao ny tetikasa hamoronana tafika an-dranomasina hiarahan’i Comores, Maurice, Madagascar, Seychelles ary La Réunion mba hiadiavana indrindra indrindra amin’ireo piraty Sômalianina izay nampitondra faisana ireo sambo mpivezivezy aty amin’ny ranomasimbe indiana. Mifandraika amin’izay tetikasa izay ihany koa ny fananganana fonja iray izay hasiana ireo piraty tratra. Talanjona ny maro, indrindra fa ireo Malagasy monina ao amin’ny nosy La Réunion raha nandre ny fanazavan’ilay tompon’andraikitra kômôrianina izay nanambara fa mety ho ao Madagasikara no hasiana ilay fonja. Raha ny fahazoana ny fanazavan’io ministra io ihany dia mety efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny tompon’andraikitra gasy, izany hoe ry zareo ao amin’ny FAT, ny momba ity tetikasa ity. Heverina ho efa nisy ny fifanekena, na dia am-bava fotsiny aza, ka nahatonga io ministra io hilaza ny vaovao any amin’ny onjam-peo. Raha mitombina izany dia ny tanintsika no tadiavin’ny sasany hitoeran’ny ratsy rehetra...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.