Actualités

Madagasikara Ho lasa sompitry ny ranomasimbe Indianina


  • Talata 19 Mey 2015

Nisy ireo tolokevitra tinapaka nandritra ny fihaonana tampon’ireo filoham-panjakana sy governemantan’ny Vaomieran’ny ranomasina Indianina ny volana aogositra 2014 tany Moroni. Hijery ny fampiharana azy ireo ny filankevitry ny

 minisitr’ireo firenena mpikambana 5 mandrafitra ny COI andiany faha-30 ny alarobia 20 mey eny amin’ny Carlton Anosy. Tafiditra ao anatin’ireo tetikasa ireo ny fandriampahalemana an-dranomasina, ny fifandraisam-paritra amin’ny lafiny an’habakabaka, an-dranomasina ary ny hairaha avo lenta, ny filaminana ara-tsakafo ary indrindra indrindra ny tetikasa «Madagasikara, sompitry ny ranomasina Indianina». Manatrika ny fihaonana ihany koa ny Vondrona eoropeanina izay mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola voalohany ny COI. Mitentina 650 tapitrisa euros moa ny famatsiana natokany hanohanana ireo tetikasa ireo ao anatin’ny Fed andiany faha-11. Nialoha izany kosa ny fivorian’ny komity ahitana ireo tompon’andraikitra maharitra misahana ny fifandraisana eo anivon’ity fikambanam-paritra ity nanomboka omaly teny an-toerana.  

Ramano F.


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT