Actualités

Madagasikara Hanovo traikefa amin’ny Vietnamianina


  • Talata 27 Martsa 2018

Manatanteraka fitsidihana ofisialy eto Madagasikara ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena vietnamiana Atoa Phung Quoc Hien, nanomboka ny 23 ka hatramin’ny rahampitso 28 martsa.

 Nitsidika ara-pomba ny fifanajana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max ny delegasiona notarihiny ny tolakandron’ny zoma lasa teo teny Tsimbazaza. Voaresaka tamin’izany ny hananganana vondrona fifankatiavan’ny parlemantera Vietnam sy Madagasikara. Vietnam sy i Madagasikara dia efa niaraka sy niara-niasa hatry ny ela, ka ny misy ny fanorenam-pihavanana sy firahalahiana eo amin’ny parlemanta roa tonta, raha ny fanazavan’ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Mahazoasy Freddie nandritra ny fihaonana teny amin’ny Hotely Carlton omaly. Misy ihany koa ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny zava-misy any amin’izy ireo, toy ny fomba fitantanana sy ny fomba izay hentina mampifandray ny zava-misy any an-toerana sy eto amintsika. Hanao “business forum” hetsika goavana momba ny fandraharahana amin’ny alalan’ny fananganana ny Antenimieran’ny varotra Vietnam-Madagascar, raha tsy misy ny sampona. Hojerena miaraka ny fomba azo atao amin’ny resaka famokaram-bary, ny lavanila. Zava-dehibe io resaka vary io satria anisan’ny mpamokatra sy mpihinana vary be indrindra eto ambonin’ny tany i Vietnam. Hojerena ihany koa ny resaka fampianarana ambony. Raha eo amin’ny lafiny toekarena, dia  250 dolara tany amin’ny 30 taona lasa ny harinkaraena faobe na ny PIB ary 2000 dolara amin’izao, ka tombanana hahatratra 3000 dolara amin’ny 2020. Anisan’ny nahatonga izany ny fametrahana tamin’ny toerany ny tontolon’ny indostria amin’ny alalan’ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany. Mitovitovy amin’ny fametrahana ny Faritra ara-toekarena manokana na ny ZES eto amintsika, izay nolavin’ny parlemantera io paikady napetraky ny Vietnamianina io, raha ny fanazavana. Fampiasam-bolan’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ary mazava ho azy ny fampiasam-bola mivantan’ny vahiny no tena politika ankapobeny ampiasain’izy ireo eo amin’ny resaka fampandrosoana.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT