Olona 8 hatreto no lavon’ny pesta tamin’ireo tranga 12 fantatra tao Tsiazompody hatramin’ny 27 aogositra teo
. Marary maro ihany koa no mbola tsaboina ao amin’ny «Centre Hospitalier de Référence de District», araka ny angom-baovao voaray farany. Efa mijery ny zava-misy sy manao fanadihadiana miaraka amin’ny fizarana fanafody ho an’ireo fianakaviana sy ny mponina ao amin’ity fokontany ity moa ny ekipa ahitana sokajina mpitsabo ary voafehy ihany koa ny aretina, hoy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Ny zava-misy aloha dia voasokajy ho firenena tsy afa-bela amin’ny pesta hatrany amin’ny taona 1980 i Madagasikara. Tamin’ny taona 2002 kosa no nahitana trangana pesta farany tao Moramanga.Vanim-potoana mampirongatra ity aretina ity ny ny volana septambra hatramin’ny volana aprily. Ny tena manaitra dia niverina masiaka tokoa ity aretim-boalavo mifangaro amin’ny loto ity tao anatin’ny 3 taona farany teo anivon’ny fiarahamonina Malagasy. Mampisongadina an’i Madagasikara manerantany rahateo ireo ny fahafatesana 39 tamin’ny tranga 86 ny taona 2013 na ireo olona maty 71 tamin’ireo tranga 263 teo anelanelan’ny volana septambra hatramin’ny volana febroary 2014.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.