Mahantra fadiranovana ny vahoaka Malagasy kanefa tsy misy hiantsapazana intsony. Ny mpanao politika tsy azo hianteherana intsony satria tsy misaina afa-tsy seza ary efa mersenera ny 85%.
Ny mpitondra moa dia iaraha-mahita fa tsy mahalala ny tokony hataony, fa mangalatra sy mivarotra tanindrazana tsotr’izao. Ny tafika izay arofanina farany efa mizarazara noho ny firehana politika, ka tsy mihevitra intsony ny vahoaka sy ny fananany fa izay hiakarana galona sy hahazoana tombontsoa mihoapampana no himasoany. Nampiteraka resabe ireny fampiakarana galona ireny. Anarany isika no eto Madagasikara fa tsy isika no tompony fa efa olonolom-poana. Mbola ny Malagasy ve no tompon’i Madagasikara ? Tsy isika no mifehy ny toekarena eto fa ny vahiny. Izy ireo no manjaka amin’ny resaka solika, ka izay tiany no atao. Ny harena ankibon’ny tany sy angovo, dia eo am-pelatanany fa miahaka ny tompon-tanindrazana. Ny resaka vola dia azy ireo satria raha jerena fotsiny, ohatra, ireo banky tsy miankina eto amintsika dia vahiny avokoa. Na ny famatsiana ireo entana ilaina andavanandro (PPN) aza dia mbola ny vahiny no manjakazaka eto. Tena efa lafo i Madagasikara, ary vitsy ny olona azo ianteherana mety hanavotra ny firenentsika.
Mimenomenona fotsiny anefa ny vahoaka fa tsy mahahetsika sy tsy tonga saina. Tsy hay intsony na miandry fahagagana na miandry mana avy any an-danitra. Maro amin’ireo mpandraharaha sy mpanam-bola Malagasy no afaka mampiasa sy mampivelatra ny asa fandraharahana ataony eto amin’ny firenena saingy tsy izay no miseho. Tsy mahatoky ny firenentsika izy ireo, ka aleony mametraka ny volany any amin’ny banky any ivelany. Misy, ohatra, ny mpitondra na olona ambony manam-bola be saingy misafidy ny hampiasa vola any amin’ny firenen-kafa. Ny tokony hataon’ireny olona ireny dia ny mampivelatra ny fandraharahana sy ny orinasany amina sehatra maro. Sady fampiasam-bola vita no fanomezana asa ny mpiray tanindrazana, saingy ilay fitiavan-tanindrazana mihitsy no tsy misy. Mila fahatongavan-tsaina sy finiavan’ny tsirairay fa tsy misy fahombiazana tongatonga ho azy sy azo mora foana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.