Actualités

Madagasikara Airways Tsy ho afaka hisidina intsony ?


  • Zoma 27 Novambra 2015

Iray volana izao no nisidina ny habakahak’i Madagasikara, nanao zotra anatiny ny fiaramanidina Embraer 120 ER Ankoay an’ny kaompanina Madagasikara Airways

 

. Re anefa fa sidina vonjimaika ihany no ataony noho ny tsy fananany CTA (Certificat de transport aérien) izay ny ACM (Aviation civile de Madagascar) ihany no manome io fanomezan-dalana io, ho an’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka ahafahany manao sidina mitondra mpandeha, indrindra ho an’ny zotra anatiny. Ny tsy mbola fanomezan’ny ACM an’io CTA io dia midika fa misy fepetra tsy mbola fenon’ilay fiaramanidina na ilay kaompania tompony. Mety ho izany no tsy mbola ananan’ny Ankoay, ilay fiaramanidin’ny Madagasikara Airways, laharana eto Madagasikara.

Hatreto, araka ny fikaroham-baovaonay, dia CTA an’ny kaompania Assist Aviation no ampiasain’ny Madagasikara Airways hisidinan’ny fiaramanidiny, ka itaterany olona io. Tsy nambara kosa ny endriky ny fifanarahan’ny andaniny sy ny ankilany momba izany. Fanao, ary ankatoavin’ny OACI izay fikambanambe iraisam-pirenena miahy ny fitaterana anabakabaka, io fampiasana CTA an’ny kaompania hafa io, araka ny fanazavana ihany. Any amin’ny fiantohana no mipetraka ny olana raha sanatria ka misy loza mitranga. Tsy manan-kery afa-tsy telo volana ihany anefa io, fifampindramana na fifampanofana io, dila izay fe-potoana izay dia tokony hanana CTA azy manokana ilay kaompania, na voatery mijanona tsy afaka hanidina intsony.

Jean D.

Ny Ankoay an’ny kaompania Madagasikara Airways

Rapôly : Milamina sy misosa avokoa ny atao rehefa akaikin’ny fitondrana e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT